Tato ho ato dia maro ireo olona minia mampiasa amin’ny fomba tsy ara-dalana sy manimba ny fitaovan’ny orinasa JIRAMA indrindra indrindra ny halatra herinaratra amin’ny fomba maro isan-karazany.
Izany fomba izany dia mitarika tsy fahampian’ny vokatra herinaratra ho an’ny mpanjifa ara-dalàna, eny hatramin’ny fahasimbana sy ny fahatapahan-jiro matetika. Etsy an-danin’izay dia misy ihany koa ireo misandoka ho mpiasan’ny JIRAMA ka manery sy mitaky vola amin’ny fanatanterahana ny asa sy ny fametahana fitaovana tsy an’ny orinasa akory na dia maro aza ireo efa tratra sy voafonja . Noho izany ny orinasa JIRAMA dia mampandre sy mampahafantatra ny be sy ny maro fa hisy ny fidinana ifotony mba hamongorana ny asa ratsy rehetra ary mampitandrina ireo izay mbola minia manao fihetsika amin’ny fanimbana ny orinasa fa handraisana ny fepetra hentitra araka ny lalàna izy ireny. Raha misy tranga mampiahiahy sy miseho moa dia iangaviana ny rehetra mba hampandre na hiditra mivantana amin’ny seraseram-pifandraisana : facebook : jirama ofisialy na hiantso ny laharam-pinday : 3547 na koa hanantona mivantana ny JIRAMA eny Manakambahiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.