Actualités

Orinasa Jirama Mampanantena fa hihatsara ny tanjaky ny vokatra


  • Alarobia 14 Desambra 2022

Nampanantena ny orinasa Jirama fa tsy hisy very intsony ny vokatra herinaratra 120 MW avy any Andekaleka.

Efa io 120 MW io miaraka amin'ny herinaratra vokarin'ny milina faha-efatra na G4 izay anaty andrana ny vokatra avy any an-toerana. Tafapetraka ihany koa ny vata mpanova herinaratra eny Ambohimanambola, izay nambara fa hanampy betsaka amin'ny fanapariahana herinatra eto amin'ny tambajotra iraisan'Antananarivo ny fametrahana ireo vata mpanova herinaratra roa lehibe ao amin'ny foibem-pihaonan'ny Tambazotra Antanananarivo (Poste d'interconnections d'Antananarivo). Hihatsara araka izany ny tanjaky ny vokatra hatolotra ny mpanjifa raha ny fanazavan'ny tale lefitry ny Tombana sy Fampandrosoana eo anivon'ny orinasa Jirama. Anisan'ny antony nametrahana ireto vata mpanova herinaratra ireto raha ny fanazavana hatrany ny fanavaozana ireo efa tranainy. Tafiditra ao anatin'ny tetikasa PAGOSE (Projet d'amélioration de la gouvernance et des opérations dans le secteur d'énergie) izay iaraha-miasa amin'ny Banky Iraisam-pirenena izao moa io fanavaozana io. 90MW, izany hoe 3 × 30MW ny tanjak'ireo milina tao Ambohimanambola teo aloha. Ny herinandro lasa teo kosa no nanomboka ny andrana fampiodinana ireto vata mpanova herinaratra ireto izay natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny 12 desambra lasa teo. Havaozina tsy ho ela ireo milina teo aloha ary hafindra eny amin'ny « sous-station Tanà-Nord, Antananarivo ». Miandry ary manantena vahaolana maharitra manoloana ny delestazy ny mpanjifa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT