Actualités

Orinasa frantsay Rhodia Mikasa hitrandraka “terre rare” ao Ampasindava


  • Talata 24 Aprily 2012

Araka ny vaovao navoakan’ny AFP (Agence France Presse) dia mikasa hanao fitrandrahana ny «terres rares» ao Ampasindava-Toliara ny vondrona orinasa Alemana Tantalus Rare Earths sy ny vondrona orinasa frantsay mpahay simia Rhodia.

 Vita sonia omaly tao Francfort ny fanehoana fahavonona hiara-miasa amin’ireto orinasa Eoropeanina ireto. Harena ankibon’ny tany ahitana karazana akora 17 ny «terre rare», anisan’izany ny lanthane, ny yttrium ary néodyme izay ampiasaina amin’ny fanamboarana fiara mandeha amin’ny herinaratra sy ny masinina famokarana angovo amin’ny rivotra, ny fahitalavitra fisaka, ny «disque dur» ary ny «lecteur Mp3». Jiro mitsitsy kosa no amboarin’ny Rhodia avy aminy. I Chine no mamokatra ny 95%-n’ity harena ankibon’ny tany ity ka rehefa nahatsapa ny maha stratejika azy ny fitondram-panjakana any an-toerana dia nanena ny vokatra azo aondrana mba hitazonana ny vidiny ho ambony hatrany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena no sady manery ireo orinasa hanorim-ponenana ao aminy koa. Ny 35%-n’ny tahirin’ny “terre rare” maneran-tany no ao China araka ny tombana. Fantatra tamin’ny fikarohana tao Ampasindava kosa fa mahatratra 130 tapitrisa taonina ny tanimanga antsoina hoe “argile latéritique» misy azy ka ny 0,08% amin’io no mitahiry ny “oxyde de terre rare”. Ny 20%-n’ireo akora ireo dia avo karazana, izany hoe ilay tena be mpitady mihitsy araka ny fanazavana ihany. Raha tanteraka ity tetikasa ity dia tanàna maro no voakitika ankoatra ny ala izay hesorina. Amin’ny velaran-tany 300 km2 sy ala mirefy 20 km2 no misy ilay “carrière”. 15.000 taonina isan-taona kosa no heverin’ireo orinasa ireo hotrandrahana ao Ampasindava ka ny orinasa Rhodia irery ihany no mandray azy.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT