Actualités

Orinasa Fanalamanga Tsy manara-dalŕna ny fanjakana


  • Alarobia 04 Aprily 2012

Nanao antso avo amin'ireo fahefana mpanatanteraka ireo Parlemantera mikambana ao amin'ny vaomieran'ny tontolo iainana sy ny ala eo anivon'ny Kongresin'ny tetezamita mba handraisan'izy ireo ny andraikiny manoloana ny tsy fanarahan-dalŕna miseho amin'ny fitantanana ny orinasa Fanalamanga ao Moramanga.

 . Raha ny fanazavan’izy ireo mantsy dia natao eo ambany fiahian'ny ministeran'ny fitantanam-bola sy ny tetibola ny orinasa raha tokony ho eo ambany fiahian'ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny ala ihany. Ireo mpiasa mantsy dia misoratra tanteraka amin'ity ministera farany ity, ary mbola io ministera io ihany koa no manome alalana amin'ny fanapahana hazo sy fitaterana izany. Noho io fiovana misy io araka ny nambaran'ireo Parlemanteran’ny tetezamita ireo ihany dia hiova tanteraka ny sata mifehy ny orinasa Fanalamanga satria dia hisy ny filankevi-pitantanana ary niampy ny ARO sy ny orinasan’ny seranana Toamasina (SPAT) ireo mpiombon’antoka, izay tsy fantatra mazava ny antony. Mety hiteraka olana goavana izao toe-draharaha misy izao, hoy izy ireo izay fihetsika sy fomba tsy azo ekena mihitsy satria tokony nampandalovina filankevitry ny minisitra sy filankevitry ny governemanta aloha vao notanterahana. Ny orinasa anefa dia efa nanomboka afak'omaly no natao teo ambany fiahian'ny ministeran'ny fitantanam-bola sy ny tetibola.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT