Ny fari-dranomasin’i Boeny indray no fantatra fa hanaovana ny fikarohana solika eto Madagasikara, ka ny orinasa Exxon Mobil avy any Etazonia no handray an-tanana ny asa izay haharitra dimy volana eo.
Nandritra ny fihaonan’ny solontenan’ny orinasa tamin’ny lehiben’ny Faritra Boeny Said Ahmad Jaffar no nilazan’ity farany io fa ny fiarovana ny tontolo iainana no tena zava-dehibe amin’ny fanjakana, indrindra ny fitrandrahana eny an-dranomasina. Tandremana ihany koa ireo harena ao anaty rano sy ny ety ambonin’ny tany mandritra ny fitradrahana atao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.