Actualités

Orinasa ECOPRIM sy SITRAM An’i Edgard Razafindravahy madiodio


  • Alakamisy 18 Aogositra 2011

Nivoaka omaly teo anivon’ny fitsarana ady maika ny didim-pitsarana mikasika ilay raharaha mampifanolana ny mpandova an’i Herizo Razafimahaleo sy Edgard Razafindravahy, amin’ny orinasa Ecoprim sy Sitram etsy Ankorondrano.

 Nosintomin’ny fitsarana mantsy ny “ordonnance de référé” tamin’ny 06 jona 2011, manome alalana ny olona notendren’ny mpandova an’i Herizo Razafimahaleo, handray an-tanana ireo orinasa ireo, mba ahafahany mitsofoka ao hamantatra ny zava-misy. Nisy ny fanohanana nataon’i Edgard Razafindravahy amin’ny tsy mampanan-kery ny fiantsoana fivoriana nataon’ny mpandova an’i Herizo Razafimahaleo ka nanendren’ireto farany mpitantana ireo orinasa ireo. Noraisin’ny fitsarana io fanohanana io, ka nitarika amin’ny nanafoanana ilay “ordonnance de référé”, ary dia tsy afaka miditra amin’ireo orinasa iretsy andian’olona iretsy, izay midika fa an’i Edgard Razafindravahy madiodio ny Ecoprim sy Sitram. Ankoatra izay dia nilaza ny fitsarana ady maika omaly, fa tsy mahefa mitsara ny votoatin’ady, fa mametraka izany araka izay voarakitry ny fifanarahana fifampivarotana izay mamaritra ny tokony hatao raha misy ny fifanolanana. Tsy mijanona efa anefa ny raharaha satria misy ny fitoriana hafa napetraky Edgard Razafindravahy any amin’ny polisy ekônômika, mikasika ny fisandohana sy ny tsy fahamarinana tao anatin’ity raharaha ity. Efa mandeha ny famotorana mikasika azy io.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT