Orinasa BURMAS
Naneho ny alahelony mikasika ny resabe mandeha momba azy
Taorian’ny fampiharan’ny vadintany ny didy mikasika ny tsy maintsy hialan’ny Burmas teo amin’ilay toerana ny alatsinainy lasa teo mantsy dia maro ny resabe nifamahofaho nandeha mikasika ity raharaha ity izay nambaran’Atoa Arif, rahalahin’ny Tale jeneralin’ny orinasa, fa tena mamotika ny anaran’ny orinasa tokoa. Efa 11 taona mantsy izao no teo amin’io toerana nisy azy teo aloha io ny orinasa saingy tsy mbola nisedra olana goavana tahaka izao iainany izao.
Ny fiangonana FJKM Soanierana no nampanofa azy ny tany, izay misy fifanarahana mazava azo havaozina sy tohizana tsara araka ny nambaran’ity tompon’andraikitra ity ihany. Hatramin’ny volana jolay taona 2018 no nifanarahan’izy ireo saingy izao tapaka antenantenany izao. Nandritra izay 11 taona naha teo Soanierana ny orinasa Burmas izay anefa dia nahatratra 600 tapitrisa Ariary ny vola laniny tamin’ny asa fanamboarana sy fanarenana ny trano izay tafiditra tao anatin’ny fifanarahana nifanaovan’ny roa tonta niaraka tamin’ny fiakaran’ny hofan-trano. Mangataka amin’ny fitondram-panjakana ny amin’ny hanomezana toerana kely azy ireo ity orinasa ity noho izany mba hahafahany manohy ny asa. Misy ihany mantsy ny tany malalaka manoloana ny orinasa Burmas izay efa saika nananganan’izy ireo trano teo aloha saingy nosakanan’ny Fjkm. Ankoatra izay dia mangataka fotoana ny mba hahafahany mamindra ny entany ihany koa izy ireo.
Tsara ny manamarika fa mbola nanamafy ny tsy fahazoany fampandrenesana talohan’ny 11 aprily 2012 ity orinasa ity, mikasika ny tsy maintsy hialany tao Soanierana. Mikasika ny dinika nifanaovany tamin’ny Fjkm kosa indray dia nanambara izy ireo fa mety hitory itsy voalohany noho ny filazan’ny Fjkm fa efa nandeha tao anatin’ny diniky ny Conseil d’État ity raharaha ity ary tsy misy atahorana. Miisa 107 moa ny mpiasa ao amin’ity orinasa ity amin’izao fotoana izay nomarihin’ny tompon’andraikitra fa mbola hotazonina avokoa amin’ity taona ity mba ho fitsinjovana azy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.