Actualités

Orinasa Ambatovy Tsy mbola hisy fandroahana mpiasa aloha hatreto


  • Talata 21 Mey 2013


 Taorian’ny fivoahan’ny vaovao mikasika ny mety ho fandroahana mpiasa ataon’ny orinasa Ambatovy, noho ny olana ara-bola misy eo aminy vokatry ny fitotongan’ny vidin’ny nikela, dia nisy ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitry ny serasera ny orinasa. “Mifehy ny vola mivoaka Ambatovy amin’izao fotoana ireo mba hisorohana sy hitandremana ny mety ho fiantraikan’ny fidinan’ny vidina nikela sy ny habetsaky ny vokatra nikela amidy any amin’ny tsena iraisam-pirenena. Anisan’ny olana atrehan’ny orinasa mpitrandraka harena ankibon’ny tany ny fiakarana sy fidinam-bokatra satria miovaova ny vola miditra amin’ny fitrandrahana ary miantehitra tanteraka amin’ny fiovaovan’ny habetsaky ny vokatra amidy sy ny vidim-bokatra any amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ankehitriny dia 9.000 ny mpiasa ao aminy, 3.000 mpiasan’Ambatovy, 6.000 kosa mpiasa amin’ireo mpiara-miasa aminy”. Ahiahin’ny mpiasa sy vaovao miely no notaterina teto ka ho hita eo ihany ny fivoarany.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT