Mahoraka ao Toamasina fa dia “hanala mpiasa miisa 650” ny orinasa Ambatovy ka teratany vahiny miasa ao ny 150 amin’ireo ary Malagasy kosa ny 500.
Voakasik’io avokoa na mpiasa birao na teknisianina na mpiasa “madinika” ary na ireo mpiasa eo anivon’ny orinasa miara-miasa akaiky amin’Ambatovy. Ireo mpiasan’Ambatovy ao Antanandava Toamasina ihany moa no manaparitaka ny vaovao. Ny fitotongan’ny vidin’ny Nikela hany mbola vokatra tena aondran’Ambatovy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena no voalaza fa anton’izao fanalana mpiasa izao. Raha natao ny fanadihadiana teo anivon’ny “London Metal Exchange (lme.org)” dia tsy nitsahatra nitotongana ny vidin’ny nikela nanomboka ny volana febroary teo. 15.200 dolara ny taonina raha mbola nahatratra manodidina ny 23.000 dolara izany ny enim-bolana faran’ny taona 2012.
Izany hoe tafiditra tamin’ny vidin’ny nikela nidina be ity izany ny kaontenera maromaro nalefan’ny orinasa Ambatovy ny volana febroary sy martsa farany teo. Ny fiandohan’ny volana mey teo aza dia tsy nisy afa-tsy 14.800 dolara izany raha mba niakatra kely ho 15.105 ny tarehimarika farany ny 14 mey teo. Ny tena olana koa araka ny voarakitry ny “lme.org” dia betsaka noho ny mpividy ny tahiry amin’izao fotoana izao izay antony nampidina ny vidiny. Mahatratra 178.343 taonina izany araka ny tarehimarika farany hatrany ny 14 mey 2013 teo. Vokatr’izay fatiantoka amin’ny vidin’ny nikela amin’ny tsena iraisam-pirenena any Londres izay, sy ny antsojain’ny fitondrana tetezamita amin’ny orinasa Ambatovy, izay miendrika fanapotehana ny orinasa araka ny nambaran’ireo mpiasa efa mihaihay ny asany, dia izao mety hiafara amin’ny tsy maintsy fanalana mpiasa izao ny raharaha ka hampitombo ireo tsy an’asa eto amintsika indray. Hatreto aloha dia tsy mbola nilaza ny heviny mikasika an’io ny orinasa Ambatovy, izay andrasan’ny mpiasa maro izay hambarany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.