Noho ny olana politika sy savorovoro tamin`ny taona 2009 dia nitsahatra tamin`ny asany ny orinasa afaka haba iray etsy Anosibe. Vokany dia voatery niroso tamin`ny fampiatoana ara-teknika ny mpiasa ity orinasa ity nanomboka tamin’io taona io.
Manodidina ny 450 ireo mpiasa tao no very asa noho izany. Hatreto anefa, raha ny fitarainan`ireo mpiasa dia tsy mbola voarain`izy ireo ny zony ary tsy naloan`ny orinasa ihany koa ny latsakemboka eny anivon`ny Cnaps hatramin’ny taona 2004 kanefa nalaina tsy tapaka tamin`ny karaman`izy ireo. Ny ankamaroan’izy ireo anefa efa manodidina ny 20 taona avokoa no niasa tao ary ny farany haingana indrindra dia 11 taona ka efa manakaiky ny fisotroan-dronono avokoa. Raha ny fanazavanan`ireo mpiasa ihany dia nifanarahan`ny roa tonta, nialoha ny nandefasana azy ireo ny tokony handoavan`ny orinasa ny vola rehetra.
Hatramin`izao anefa dia nitsipotipotika izany ary raha natambatra dia tsy nihoatra ny efatra alina ariary hatramin’ny 2009. Nisy aza ireo mpiasa no tsy naharay vola mihitsy. Tamin’ny sabotsy teo dia nisy indray fanomezana iray alina ariary ho an’ireto mpiasa ireto saingy vao nahatazana mpanao gazety tonga teny an-toerana ilay mpandoa vola dia tsy hita indray izay nalehany. Manoloana izany rehetra izany dia manao antso avo amin`ireo tompon`andraikitra ireto mpiasa ireto ary efa nandefa ny raharaha teny amin`ny “inspection de travail” sy ny ministera mpiahy ny mponina. Efa nandefa fitarainana ao amin’ny biraon’ny ACAT Anosizato izay mpandray manokana ny olan’ny olona ianjadian’ny tsindrihazolena koa ry zareo mpiasa ireto.
Nangonin’i Soa sy Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.