Orange Madagascar - Wednesday Morning Group

> Hiaraka hijery ny fiainam-bahoaka


  • Zoma 13 Septambra 2013

Tontosa omaly alakamisy 12 Septambra 2013, teny amin’ny foibe Orange Madagascar Analakely ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny Orange Madagascar sy ny Wednesday Morning Group.

Tonga nanatanteraka izany i Michel Barre, tale Jeneralin’ny Orange sy Rtoa Rakotovao Ravahatra, filohan’ny WMG. Ny tetikasan’ny WMG rehetra dia nampidirina hifanindran-dalana amin’ny tetikasa Orange Solidarité manomboka izao. Ny WMG dia fikambanam-behivavy mandray andraikitra izay niforona tamin’ny 14 novambra 1963, ka ny asa sosialy toy ny fikarakarana ny zaza amam-behivavy, ankizy sahirana, fanamboarana trano ho an’ny kamboty, fampidirana rano fisotro madio ho an’ny vahoaka, fanomezana «kit-scolaires» ho an’ny ankizy Mpianatra … no nataony. Manomboka izao, hisy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny roa tonta mba hampianarana ny vahoaka hiatrika ny fiainana, indrindra hanatsarana ny fari-piainany. Hitohy hatrany koa ny asa sosialy ho an’ny mpiara-belona toy ny fanomezana sakafo ho an’ny marary eny anivon’ny hopitaly sy fijerena ireo vahoaka sahirana. Tanjona amin’izany ny hananan’ny vahoaka Malagasy fiainana milamina sy mirindra sy fiarahamonina anjakan’ny rariny sy ny hitsiny, araka ny voalazan’ny tomponandraikitry ny WMG.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT