Actualités

ORA-MIKIJA TAO TOLIARA 5 naratra nianjeran’ny hazo, 1 namoy ny ainy


  • Alarobia 27 Aprily 2022

Marobe ireo hazo lehibe mianjera amin’izao ao an-tampon-tananan’i Toliara. Toraka izany koa ireo tafo manidina ireo andrin-jiro mianjera vokatry ny rivo-mahery entin’ilay rivo-doza Jasmine izay fantatra fa hiditra an-tanety any amin’ny

faritra Atsimo Andrefana rahampitso Alakamisy. Vokany, tafakatra 6 sagady ireo olona lasibatra ka iray no namoy ny ainy. Raha araka ny fantatra dia hazo lehibe no nianjera tamin’ity farany ka voatsindry tsy afa-nihetsika tao izy. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa moa ireo ambiny. Mikasika ny toetr’andro eto an-drenivohitra manokana dia fantatra fa hiditra tanteraka ao anatin’ny volon’andro ririna isika manomboka rahampitso Alakamisy. Sady hisy herika izany no hisy rivo-mahery mbola vokatry ny fidiran’ilay rivo-doza Jasmine an-tanety rahampitso ihany rah any tombana. Tokony samy hiomana amin’ny fitafiana mifanaraka amin’izay avokoa araka izany ny rehetra ho fitandroana ny fahasalamana.
Pati
Legende : Ireto ireo oona naratra tao Toliara !
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT