Actualités

“Opération” tany Bezaha Misy ny fanararaotam-pahefana


  • Zoma 23 Martsa 2012

Mampalahelo ny zava-niseho tany Bezaha Distrikan’i Betioky, hoy ny Vondrona parlemantera Monima notarihan’ny filohany, CST Mosa Milasoa nitafa tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny Lapa maitso Anosikely omaly, fa misy ny fanararaotam-pahefana nataon’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny fanatanterahana ny «opération» nanomboka tamin’ny 29 janoary 2012 teo.

 Tsy araka ny nantenain’ny vahoaka izany fa tena nanararaotra ireo mpitandro ny filaminana ireo. Tsy ny dahalo no notadiavaina, hoy ny CT Razafimahefa Marcellin, fa ny olona tao an-tanàna no nosamborina, nodarohana sy nakana vola ho takalon’ny famotsorana azy. Ny 16 febroary 2012 namaranana ny “opération” dia narodan’ny mpitandro ny filaminana ny tsangam-baton’ny “Olympiade” izay napetraka ho orimbaton’ny fandriampahalemana tany Bezaha. Taorian’io dia nisy ny fahafatesanan’ny zandary komadin’ny borigady tany an-toerana. Ny filazana ofisialy dia hoe ny fifampitifiran’ny dahalo sy mpitandro ny filaminana no nahatonga izany fahafatesana izany. Ny Vondrona parlemantera Monima kosa dia mitaky ny hisian’ny fanadihadiana tena marina mikasika izany toe-javatra izany. Taorian’izay dia nisy ny fandoran’ny mpitandro ny filaminanana Fokontany roa, ka trano 118 sy 42 no may tamin’izany. Nisy koa fisamborana faobe natao tao amin’ny Kaominin’i Manalobe. Mampalahelo, hoy Razafimahefa Marcellin fa misy mpanao politika miezaka manafina ireo zava-misy sy fahoriana mahazo ny vahoaka any Bezaha ireo.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT