Actualités

“Opération” Remenabila Misy razana 12 hita, voasambotra ny namany


  • Zoma 29 Jona 2012

Mivoatra miandalana ny vaovao mikasika ny “opération” Remenabila tanterahin’iny andia-miaramila manokana nalefa any Befotaka any.

 Araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia misy razana 12 hitan’ireo andia-miaramila ireo tao anaty fasana tany amin’ny toerana sahabo ho 01 km andrefan’ny tanànan’Iabohazo fonenan-dRemenabila ny alarobia 27 jona teo. Araka io loharanom-baovao io ihany dia fantatra fa mpitandro filaminana ny 10 amin’ireo razana ireo ary sivily ny 02. Nisy basy kalachnikov iray koa niaraka tamin’izy ireo. Efa voahodidin’ireto andia-miaramila ireto moa ny tanàna sy ny kizo rehetra teo manodidina saingy tsy tratra tao an-toerana ity lehiben’ny dahalo ity.

Miaiky ny mpitandro ny filaminana fa sarotra ny fikarohana an-dRemenabila noho ny vohontany feno tendrombohitra, vato sy ala ary renirano. Na izany aza dia fantatra fa nisy namany voasambotra sy naratra voatifitry ny Zandary tao Iakora tamin’ny 20 jona teo raha nitady mpividy omby halatra. Nitsoaka izy ireto ka ny iray voatifitra izay mbola tsaboina amin’izao fotoana izao ary ny iray azo sambo-belona. Rehefa natao ny fanadihadiana dia omby miisa 900 tany Mahaly/Amboasary Atsimo no nangalarin’izy ireo ny volana janoary 2012 izay nahafatesana Zandary iray nanara-dia.

Nanamafy ny fampitam-baovao fa mitohy ny fikarohana io lehiben’ny dahalo nandravarava tany Befotaka io. Tsy hijanona ihany koa ny hetsika fampandrian-tany fa hotohizana hatrany amin’ny faritr’i Bezaha sy Sakaraha aza. Raha ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ihany dia anio no hidina any atsimo ny jeneraly Ndriarijaona André, Lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika sy ny jeneraly Razafindrakoto Bruno Wilfrid, Komandin’ny Zandarimariam-pirenena miaraka amin’ny dokotera manokana izay hanao ny fizahana ny razana sy ny fikarakarana rehetra araka ny fomba maha Malagasy sy ara-miaramila. Anisan’ny anton-dian’ireto Jeneraly ireto ihany koa ny hanara-maso ny fanatanterahana ny baiko napetraky ny Praiminisitra tamin’ny fitsidihany tany Esira amin’ny fametrahana “Détachement militaire” any amin’iny faritra iny mba hisian’ny fandriampahalemana maharitra.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT