Actualités

“Opérateurs téléphoniques” mampikolay Aiza ho aiza ilay fanadihadiana ny Parlemantera ?


  • Talata 17 Aogositra 2021

Ny fiandohan’ny volana jona no nilaza fa nanangana vaomiera manokana hanao fanadihadiana ireo orinasa miantsoroka ny tambazotra ara-tserasera na “opérateurs téléphoniques”

 miisa telo eto Madagasikara Antenimieram-pirenena. Anton’izany ny tolotra izay tena mampikolay ny vahoaka. Mbola mampijaly io hatramin’izao ka miandry ny rehetra hoe : aiza ho aiza ilay fanadihadiana parlemantera amin’izao fotoana izao. “Maro be ny fitarainana voarain’ny solombavambahoaka, ka antony nananganana ny fanadihadiana parlemantera, ny depiote mifanerasera mivantana ny vahoaka, dia mahita ny fitarainana sy ny fimenomenonan’ny mpanjifa. Fahana ampidirina androany alina, tsy hita ny maraina. Ny mpanjifa mitaraina fa tsy mangaraharaha ny vidin’ny “forfaits”. Mba aiza ho aiza ihany koa ny fampidiram-bolan’ireo orinasan-tserasera amin’ny kitapombolam-panjakana?”, hoy ny Solombavambahoaka Mamangy Norbert tamin’ny 8 jona. Nahitsy io depiote io tamin’izany naneho, fa asan’izy ireo tanteraka izany, vonona ny Parlemanta hanao fanadihadiana. Teo anatrehan’io, tsy faly ny orinasan-tserasera, ka nandefa taratasy tany amin’ny Praiminisitra, Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Minisitry ny paositra, ny ARTEC. Nambaran’ny depiote Mamangy Norbert kosa fa fanambarana diso io aminy, ka nilazany fa tsy hihemotra eo anatrehan’ny tsindry ny antenimieram-pirenena. Telo volana mahery aty aoriana, miandrandra ny hivoahan’ny tohin’ny fanadihadiana parlemantera ny mpanjifa, ary maniry mba ahafahan’ny solombavambahoaka manao tsindry, mba hiteraka fihatsarana any amin’ny tolotra sitrahan’ny vahoaka satria tsy takona hafenina ny lesoka sy ny zavatra tsy mazava. Ny doka sy ny karazana tolotra mitombo, fa ny tambajotra tena miha mikoroso fahana andro aman’alina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT