Nivarahontsana ny mponina tao amin’ny Fokontanin’Anjoma Toamasina omaly maraina, raha nahita tovolahy iray maty nananton-tena. Tranga tsy fahita tao an-toerana io, ka nihoron-koditra izay nahita.
Maty nananton-tena tamin’ny tady teo amin’ny tendany, ary nofatorany tamin’ny zavoka i Serge Emile, 20 taona, mpianatra ao amin’ny CEG Radama I. Raha ny fanazavan’ny zokiny, izay mitaiza azy, dia noho ny olana ara-piainana iainana isan’andro no mety tsy zakany ka nahatonga azy namono tena izao. Na izany aza, manao izay afako aho mikarakara ireo zandriko amin’ny ara-tsakafo sy ara-pianarana ary efa nividianako fitaovam-pianarana aza izy ireo amin’izao fotoana izao ho an’ity taom-pianarana ity, hoy hatrany ny zokiny. Ny angom-baovao no nahalalana, fa tsy nahitana soritra olana mihitsy i Serge ny talata alina fa mbola nanamboatra ny fandriana natoriany aza izy, fa ny nahagaga anay fotsiny hoy ny zokiny dia ny namelany ireo zandriny nilalao ny findainy izay tsy mba fanaony mihitsy. Ireo namany sy ireo mponina manodidina kosa no nahalala fa tovolahy tsy be teny na koa tia mivoaka mandehandeha i Serge. Ny mianatra sy milalao ny findainy no tena fialamboliny, ka ireo namany no manatona azy mazàna. Na efa 20 taona aza izy dia tsy mba hitan’ireo namany nanao sipa izany ka atahorana ho olona ara-pitiavana no anton’izao famonoany tena izao. Nahitana antsy kely sy vola tao am-paosiny tamin’ny fotoana nahitana ny vatana mangatsiakany. Lahimatoa saingy fahadimy amin’izy 8 mianadahy i Serge Emile.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.