Actualités

Oniversiten’i Toliara “Mitohy ny tolona !”, hoy ireo mpianatra


  • Zoma 19 Aogositra 2011


 Ny fiakaran’ny saram-pisoratana anarana, ny herisetra ara-nofo mihatra amin’ireo tovovavy mitady trano eny amin’ny Cité, ny tsy fanajana ny “franchise universitaire”, ny kitrano an-trano amin’ny raharahan’ny oniversite, ny fitantanana ara-bola tsy mazava anisan’ireo zavatra kianin’ny mpianatra ao Maninday, mivondrona ao amin’ny “Fédérations des Associations des Etudiants”, ary takian’izy ireo koa fanoloana ny filohan’ny oniversiten’i Toliara, izay nitarika hetsiky ny mpianatra nanomboka tamin’ny volana jolay. Hatreto aloha, raha ny fanazavana dia tsy mbola nisy nivaly ny fitakian’izy ireo.

Nisy tamin’ireo mpianatra indray aza no naiditra am-ponja taorian’ny fitanana an-keriny olona nataon’izy ireo tao Maninday. Mahatsiaro ho faralahy mihoatra amin’ireo oniversite hafa ry zareo ao Maninday ka manoloana izany dia nanambara ity federasionan’ny fikamban’ny mpianatra ity fa tsy mbola vita ka mitohy ny tolona mandrapahazoan’izy ireo ireo fangatahana nataony. Hotohizana ny tolona, hoy ihany ireo mpianatra, na inona hidona na inona hihatra.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT