Actualités

Oniversiten’i Toamasina Mety hakatona iray volana ?


  • Alarobia 14 Septambra 2011

Nanomboka ny alatsinainy tolakandro teo izay nitohy mandrak’alina, dia nitaona entana niala ny faritry ny oniversite avokoa ireo mpianatra nonina tao.

 Ao ireo namonjy ny fianakaviany monina tao Toamasina, ao ireo nandray fiara ka nihazo ny faritra niaviany avy hatrany. Noho ny tahotra nisian’ny feo fa ho raikitra ny valifaty sy ny doro trano ary fakana an-keriny mpianatra izay efa tonga hatramin’ny fisavana ireo kaoperativa sy taksiborosy mihazo ny RN2 mihitsy omaly hariva, no nahatonga ity saritaka ny alatsinainy sy omaly ity. Haolo ao Barikadimy ankehitriny. Ireo tena tsy mahita haleha sy tsy manana saran-dalana no mihafy ao anatin’ny fintaintainana eo anivon’ny oniversite, saingy vitsy izy ireo. Vokatr’izany dia nikatona tanteraka ny oniversiten’i Toamasina. Mandeha aza ny feo fa mety haharitra iray volana io fikatonana io, mba hamahana ny olana ka hiverenan’ny filaminana tanteraka ao. Nifoha nandritra ity olana ity koa mantsy ny fahafatesana mpianatra iray avy any Sofia tamin’ny taon-dasa izay vokatry ny disadisa tamin’ny mpianatry ny FITEFA ihany koa tamin’izay fotoana izay. Manginy fotsiny ny fitokonan’ny mpianatra tao nitranga ny herinandro teo sy ny mikasika ny vatsim-pianarana... Miato avokoa ny fampianarana, toy izany koa ny fanadinana ampahany efa manomboka ho an’ny sampana lalàna.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT