Actualités

Oniversiten’i Mahajanga Nifanafika ny samy mpianatra, 4 naratra mafy


  • Alarobia 18 Mey 2016

Mpianatra efatra naratra mafy, roa hafa nosamborin’ny mpitandro ny filaminana, trano fonenana roa may kila. Izay no vokatry ny savorovoro tao amin’ny oniversiten’Ambondrona Mahajanga omaly. Olana efa nisy hatramin’ny ela teo amin’ny mpianatra avy any Sofia sy Boeny no niitatra ka niafara tamin’izao gidragidra izao.

 

Ny fanimbana ny fantsona mitondra ny loto avy tao amin’ny efitranon’ireo mpianatra avy ao Mahajanga no fototry ny olana izay nosimban’ny mpianatra avy any Sofia. Raikitra ny disadisa teo amin’ny roa tonta ka niafara tamin’ny  tora-bato sy ny fandorana ny efitrano ipetrahan’ireo mpianatra avy ao Boeny. Nohodidinin’ireo mpianatra miisa 300 mahery avy any Sofia ny toerana misy ny mpianatra avy Mahajanga ireo nandritra ny korontana. Nitsoaka nandositra ireo mpianatra tao anatin’ny bloc ireo izay miisa 40 mahery teo. Tsy afaka namely izy ireo satria efa nirongo fitaovam-piadiana toy ny antsy maranitra sy ny cocktail Molotov ary vato ireo mpianatra avy any Sofia. Nitady lalana nitsoahana ireo mpianatra avy ao Boeny. Vokany, mpianatra telo no naratra mafy noho ny tora-bato nahazo azy ireo. Bloc enina an’ireo mpianatra avy ao Mahajanga no indray kilan’ny afo niaraka tamin’ireo entana sy ny kojakojan’ireo mpianatra amin’ny fianarany niampy ny fitaovana toy ny fahitalavitra sy ny solosaina. Tsy nisy noraisina ny entana may tao anatin’ireo trano.  Olana efa ela teo amin’ny mpianatr’i Sofia sy Boen izy ity. Efa in-droa amin’izao no nisy ny sakoroka. Tamin’ny 30 janoary ny voalohany izay nisamborana mpianatra 9 mirahalahy. Nilaza ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra avy ao Mahajanga fa tsy hanaiky mora. Mivoatra isan’andro ny fahaizan’ireo mpianatra ny oniversiten’i Mahajanga amin’ny fambolena korontana, indrindra ny fanapotehana fotodrafitrasa ao amin’ny campus Ambondrona. Tsy voahaja ny maha anjerimanontolo ny ao Mahajanga satria isan-kerinandro dia misy hatrany ny zavatra mitranga. Tsy ampy iray volana izay no namono nahafaty olona ny mpianatra tao izay nolazain’izy ireo fa nangalatra. Raha ny fanadihadiana anefa da tsy mpangalatra io rangahy io fa mpiandry soavaly.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT