Oniversiten’i Mahajanga

> Efa miverina mianatra ny ankamaroan’ny mpianatra


  • Zoma 21 Febroary 2014


Ny alatsinainy teo no efa niverina ny fampianarana sasany avy eo anivon’ny oniversiten’i Mahajanga. Ny lalam-piofanana lalàna, siansa ary ny ISSTM (Institut Supérieur de Sciences et Technologies de Mahajanga) no efa miverina manohy ny fianarany. Araka ny fivoriana nataon’ireo tompon’andraikitry ny oniversite sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ny faran’ny herinandro teo no nandraisana io fanapahan-kevitra io. Fantatra fa ao amin’ny Immeuble Dramisy Mahajanga Be no toerana ianaran’ireo mpianatra amin’izao fotoana izao fa tsy mbola azo ampiasaina kosa ny eny amin’ny Campus Ambondrona noho ny fahasimbana niseho nandritra ny fihetsehan’ny mpianatra tamin’ny 10 janoary 2014. Tsy ny fiverenana amin’ny fianarana ihany anefa no dingana nataon’ireo tompon’andraikitra fa ny fanomezana ny vatsim-pianarana roa volana koa dia noraisain’ireo mpianatra ny omaly alakamisy. Raha ny fanapahan-kevitr’ireo mpitolona kosa dia mbola mitohy hatrany ny fitakiana ataon’izy ireo amin’ny fanalana ny profesora Rabesa Zafera Antoine eo amin’ny toerana maha filohan’ny oniversiten’i Mahajanga azy. Noheverin’ireto farany fa izay ny dingana farany amin’ny famahana olana ny oniversite. Ny mpianatra kosa anefa etsy an-daniny dia hita fa te hanohy ny fianarany noho ny tahotra taona fotsy.

 

Tolin

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT