Actualités

Oniversiten’Antananarivo Tsy mbola hisy fampianarana


  • Zoma 13 Mey 2011

Mazava ny resaka ! Tsy mbola handray ny asany ireo mpampianatra mpikaroka manerana ireo oniversite enina araka ny nambaran’ny filohan’ny SECES, Rasoamiaramanana Armand.

 Samy nanatanteraka fivoriambe avokoa ireo sampan’ny Seces isam-paritany taorian’ny famoahan’ny ministera ireo daty fidiran’ny sampandraharaha izay samy manana ny azy avokoa ny an’ny oniversite tsirairay. Niray feo avokoa anefa sampana rehetra fa mitohy hatrany ny fitokonana mandra-pahita ny tena marina. “Tsy hisy ny fampianarana raha tsy voavaly ireo teboka enina ao anatin’ny marimaritra iraisana nifanarahana tamin’ny ministera na farafaharatsiny mahazo fanazavana mitombina miaraka amin’ny datin’andro andoavana ireo izahay”, hoy hatrany Rasoamiaramanana Armand. Raha tsiahivina dia ny fanomezana ny ora fanampiny nandritra ny taom-pianarana farany teo, ny fanampiny amin’ny tambin-karama momba ny fikarohana, ny fisian’ny tetibola hampandehanana asa eny amin’ny oniversite, ny vatsim-pianarana ary ny karaman’ny mpandraharaha no takian’ny SECES vao hiasa izy ireo.

Vao ny alarobia 11 mey teo moa no nanambara ny minisitra Rabesa Zafera Antoine fa efa vonona avokoa ny enti-manana handoavana ireo marimaritra iraisana ireo hahafahana manokatra ny taom-pianarana ary nanondro datin’andro fidirana mihitsy aza ny tenany. Nasehony tamin’io fotoana io koa ny antontan-taratasy mirakitra ny fampiasana ny vola izay efa nalefa ao amin’ny kaontin’ny oniversite fantatra amin’ny hoe : “Document d’Engagement des Dépenses (DPE)”. Tsy mbola maharesy lahatra ireo mpampianatra mpikaroka, izay mahatsiaro tena ho arirarira foana anefa izany. “Tetibola ampiasaina mandritra ny telo volana monja no voarakitra ao anatin’io DPE io. Inona indray no zavatra hiseho rehefa lany io vola io ? Hiato indray ve izany ny fampianarana ?” hoy izy nametraka fanontaniana. Nohamafisin’ity filohan’ny SECES ity koa fa efa leom-boananana amin’ny fampandriana adrisa izy ireo. 900 tapitrisa ariary no tetibola tokony ho an’ny oniversite sy ny foloalindahy araka izay voalaza tao anatin’ny volavola fandaniam-bolam-panjakana taona 2010 saingy nijanona ho fanambarana fotsiny izany hatramin’izao fa tsy misy ny fanatanterahana. Araka izany dia manamafy ny SECES fa resaka aely ny filazana ny fanombohan’ny taom-pianarana amin’ny oniversite sasany.

Famaranana ny taom-pianarana farany no ataon’ny lalam-piofanana manofana mpitsabo sy ny haisoratra ao Toamasina fa tsy fidirana vaovao akory, hoy izy ireo. Tsy mbola misy mampianatra kosa ny oniversite ambiny. Raisiny ho fampizarazarana sy fampiadiana ny mpampianatra io fihetsiky ny ministera io. Farany dia kianin’ny SECES koa ny fanitsakitsahan’ny minisitra ny rafitra mifehy ny oniversite. Ny filankevitry ny oniversite mantsy no manapaka ny datin’ny fanombohan’ny asa aman-draharaha fa tsy ny minisitra akory raha ny filankevitra siantifika kosa no manome ny fidiran’ny mpianatra.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT