Actualités

Oniversite Nahodina amin’ny zavatra hafa ny tambin-karaman'ny Seces


  • Talata 16 Aogositra 2011

Mbola tsy naharay ny tambin-karama fanampiny momba ny fikarohana volana jolay mitentina 2 hetsy ariary isam-bolana ireo mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite hatramin’izao.

 Ny 11 jolay anefa no efa voarain’ny Agent Comptable eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ny “bordereau de transfert” izany hoe ny antotan-taratasy manamarina ny fahatongan’ny vola nalefan’ny ministeran’ny vola. Tsy tao anatin’ny karama raisin’ny mpampianatra mpikaroka ny 22 ka hatramin’ny 25 jolay ilay tambin-karama fanampiny. Herinandro sahady koa sisa dia higadona ny fandraisana ny karama volana aogositra saingy mbola tsy misy tokontaniny io resaka tambin-karama io. Manahy ny mpampianatra mpikaroka sao namonoana afo ny fitokonan’ny mpianatra izay efa nikotrika ny anjara volan’izy ireo.

Vao nihetsika tokoa mantsy ny andiana mpianatra avy ao amin’ny DEGS ny tapaky ny volana jolay dia nivoaka ny vatsimpianarana. Nampiasa tetika ny fanjakana mba ahafahany mampiasa amin’ny zavatra hafa ny vola raha ny fahitana azy satria tsy nisy fanazavana momba ny lalan’io vola io tamin’ilay bordereau de transfert. Raha nanontaniana momba ity raharaha ity ny filohan’ny SECES, Rasoamiaramanana Armand, dia nilaza fa “tsy ny eto an-drenivohitra ihany fa ny oniversite rehetra mihitsy no tsy mbola naharay ilay tambin-karama fanampiny”. Nomarihan-dRasoamiaramanana Armand fa tsy hipetra-potsiny ny SECES sampana Antananarivo manoloana ny toe-draharaha izay hanatontosa fivoriambe hanaovana jery todika ireo fifanarahana tamin’ny fanjakana amin’ny 25 aogositra izao .


Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT