Actualités

Oniversite Migrevy ny ao Andrainjato, mafanafana ao Barikadimy


  • Alarobia 10 Aogositra 2011

Nitokona ny mpianatra ao Andrainjato Fianarantsoa omaly.

 Nisantatra izany ireo mpianatra taona voalohany sy taona fahefatra amin’ny lalampiofanana lalàna izay nanidy trano fianarana. Resaka vatsim-pianarana no olana. Iray volana no hany voaray, nefa mihoatra an’izay ny azon’ireo namany any Maninday Toliara. Ny nanaitra dia nanakoako tao Andrainjato ny hiran’ny tolom-panafahana “Madagasikara tanindrazanay” io omaly io. Fa nivoaka omaly kosa ny lisitry ny mpianatra nahazo vatsim-pianarana ao Barikadimy Toamasina. Raha ny fantatra aloha dia tsy tao anaty lisitra ny tao amin’ny 1ere année na ny taona voalohany. Hatreto ihany koa dia mbola ny iray volana amin’ny telo volana tokony haloa no homen’ny oniversite, raha araka ny loharanom-baovaonay. Efa mampiaka-peo sahady ny mpianatra manoloana an’izany ary efa misy fikononkononana mandeha raha araka ny fantatra.

 

Nangonin’i  Samy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT