Loza vaovao mitatao amin’ny oniversite manerana ny nosy indray ny fanapahan’ny Jirama ny jiro, efa natomboka teto Antananarivo izany mety hitohy any an-kafa, ary ahiana hitatra any amin’ny rano.
Ny anton’izany rehetra izany moa dia satria efa be loatra ny vola tsy voaloan’ny oniversite amin’ny vidin-jiro sy rano. 2,5 miliara ariary, ho an’Antananarivo fotsiny raha mananika ny 33 miliara ariary any ny trosam-panjakana tsy voaloa, mikasika io jiro sy rano io ihany. Efa nisy ny antso fanairana nataon’ny Jirama saingy tsy voaloa ny vola, ireo oniversite 6 rahateo moa iaraha-mahalala ihany fa manana olana ara-bola ka tsy afaka hanefa ara-dalàna ny trosany. Araka ny fantatra dia fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisina ihany koa izao mba hisorohana ny gaboraraka amin’ny fampiasana ny jiro sy ny rano, ankilan’izay dia tsy afaka manao varo-boba na varo-maty ny Jirama ka izay tsy mandoa vola dia iharan’ny sazy avy hatrany. Fantatra anefa fa efa mandinika ny hikaroham-bahaolana haingana amin’ity raharaha ity ny tompon’andraikitry ny oniversite, izay nivory tany Mahajanga ny herinandro lasa iny satria hanahirana ihany ny hizoran’ny asa an-tsakany sy an-davany raha tsy mandeha ny jiro sy ny rano, ary dia mety hitarika savorovoro eny amin’ny oniversite indray izany ka hanakorontana ny tontolon’ny fampianarana ambaratonga ambony, dia mety hosoavalian’ny mpanao politika sasany indray.
RTT
Sary : Ireo tompon’andraikitra malagasy amin’ny fampianarana ambony eto Madagasikara (Sary : Faritra Boeny)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.