Olana tsy mety vita ny eny amin’ny oniversite satria tsy fantatra mazava hatramin’izao izay hanombohan’ny taom-pianarana noho ny tsy mbola fivahan’ny olan’ny mpampianatra mpikaroka manerana ny nosy hatramin’izao.
Nilaza ny efa nandefitra ny avy ao amin’ny Seces ka nanaiky namita ny fandaharam-pianarana sy ny fanadinana famaranana ary ny famoahana ny voka-panadinana. Tsy nanatanteraka ny teny nomeny anefa ny fitondram-panjakana ka tapa-kevitra ny hanohy ny fitakiana izy ireo ary tsy hiverina hampianatra raha tsy mazava ny zava-drehetra. Dia mitokona ihany koa ny mpianatra ary mitaky ny hamoahana ny tetiandro mazava amin’ny fanombohan’ny taom-pianarana. Toy izany foana ny eny amin’ny anjerimanontolo, tsy misy mihitsy taona iray mampilamina sy tsy misy savorovoro ary fitokonana. Tsaroana eto ny tenin’ny filoha teo aloha izay nahasosotra ny maro hoe : sao dia tokony hakatona ao anatin’ny fotoana voafetra ny oniversite rehetra manerana an’i Madagasikara.
Mila miasa mafy mandamina ny zava-drehetra tsy milamina aloha ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary jerena ifotony mihitsy ny momba ny mpampianatra mpikaroka, ny mpianatra, ny fandaharam-pianarana. Atao mifanaraka marina amin’ny zava-misy eto Madagasikara sy ny fivoaran’ny raharaha maneran-tany ny fitaovana ampiasaina, mila alamina toraka izany koa ireo mpandraharaha sy mpiasan’ny oniversite rehetra, ny resaka trano fonenana na ho an’ny mpianatra io na ho an’ny mpampianatra sy ny mpiasa, ny vatsim-pianarana, ny hamahana ireo trosa misavovona baben’ny kitapom-bolan’ny oniversite, ireo fibodoana ny tanin’ny oniversite. Eto Madagasikara irery mantsy maneran-tany no ahitana tranon’olon-tsotra sy mpivarotra toaka sy labiera ao anatin’ny faritry ny tanin’ny oniversite. Ankoatra izay, bebe kokoa ny tsy an’asa vokarin’ny oniversite Malagasy noho ny manampahaizana tena miasa ho amin’ny fampandrosoana ny firenena sy fampitana ny zavatra nianarany. Tsy sanatria hoe bado na tsy mahay ny Malagasy nandranto fianarana ambony, saingy ny rafitra eto amintsika mihitsy no mbola mandringa ary matetika tsy mamaly ny filan’ireo orinasa ny fahaizana sy ny fahalalan’ireo mpianatra mivoaka avy eny amin’ny oniversite. Noho izany, mety mitombina ihany ilay hoe sao dia tokony hakatona mihitsy aloha ny oniversite mba hahafahana mandamina sy mampanara-penitra azy, fa raha terena hotohizana amin’ny zava-misy ankehitriny ny fampianarana dia mety hamoaka mpitarika grevy ampy traikefa sy jiolahy manan-tsaina marobe atsy ho atsy ny oniversite Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.