Actualités

Oniversite Izay vao tena ho taona fotsy


  • Alakamisy 07 Jona 2012

Mampaneno lakolosy ny SECES sampana Antananarivo ary mandrahona mihitsy fa izay vao ho taona fotsy ny eny amin’ny oniversite.

 Mahatsikaritra ny SECES sampana Antananarivo fa dia miseho lany ny tsy fanarahan-dalàna eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Araka ny fanambarana nataony dia misy ny fidirana tsy misy fisoratana anarana sy tsy misy didim-panjakana mametra izany, amin’ireo toeram-pianarana samihafa eny Ankatso eny. Marihina anefa, hoy ny fanambarana, fa tsy anjaran’ny ray aman-dreny, na ny mpianatra na ny mpampianatra mpikaroka na ny SECES no misolo vaika ny adidy sy andraikitry ny fitondram-panjakana.

Milaza koa ny SECES sampana Antananarivo, fa misy any ho any ny fikasana hanondrotra ny saram-pisoratan’anarana eny amin’ny oniversitem-panjakana mba hampandehanana ny fampianarana. Miandry izay ho fanapahan-kevitr’ireo filohan’ny oniversite sy lehinen’ny ivotoeram-pampianarana ambony na ny COPRIES hatao any Toamasina rahampitso zoma 8 jona mikasika izany ny SECES sampana Antananarivo. Manoloana ny fitakiana sendikaly etsy sy eroa dia nampahatsiahy ity farany fa fomba fanaon’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fanomezana ampahany kely amin’ny fitakian’ny sendika ary fananganana “commission ad’hoc” ka rehefa manaiky an’ireo dia hodiany tsy hita indray.

Tsy azo itokisana izany fitondrana tsy mitana ny teny nomeny izany. Koa misintona ny sain’ny rehetra fa ny SECES sampana Antananarivo ary mampitandrina fa tsy maintsy hikatso indray ny fampianarana ary izay vao tena ho taona fotsy raha toa ka tsy tanteraka ny fanambarana an-tsoratra nataon’ny fitondrana hatramin’izay, dia ny fandoavana ny ambin’ny “indemnité de Recherche et d’investigation”, ny vokatry ny asan’ny «Commission ad’hoc» natsangan’ny fitondrana natao hampiharana ny didim-panjakana 2009-1216 mampitovy zo ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra amin’ny mpiasam-panjakana rehetra. Tsy ekena, hoy ny SECES ny fampanaovana fanadinam-panjakana rehetra raha tsy vita ny fadaharam-pianarana feno eny amin’ny sekolim-panjakana satria famotehana tsotr’izao ny hoavin’ny zana-bahoaka izany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT