Tsy hisy ny taona fotsy eny amin’ny oniversite.
Na tsy mbola nahazo ireo tombontsoa rehetra notakiany aza ny mpampianatra mpikaroka dia hanomboka ny fampianarana ihany araka ny tapaky ny fivoriamben’ny Seces sampana
Nanamarika anefa ny filoha nasionalin’ny Seces, ny Pr Rasoamiaramanana Armand fa ny filankevi-pirenen’ny Seces ahitana ny solontena avy amin’ny oniversite enina tontosaina rahampitso alarobia no tena hamaritra ny hoavin’ny fampianarana ambony Malagasy. Samy hamelabelatra ny zava-misy any aminy avy ny oniversite tsirairay ka aorian’izay vao mamoaka fanapahan-kevitra iraisana ny mpivory rehetra. Anisan’izany ny famoahana ny datinandro fidirana ara-pedagojika mitovy ho an’ny oniversitem-panjakana rehetra, izany hoe ny andro fanombohan’ny fampinarana mihitsy araka ny fanamarihan’ny filohan’ny Seces hatrany. Marihina moa fa efa nampanantena ny fisian’ny toe-bola handoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra sy hampihodinana ny oniversite ny minisitra Rabesa Zafera Antoine.
Yves
Sary : Fivorian’ny Seces sampana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.