Actualités

Oniversite Hamita ny fampianarana ny SECES


  • Talata 27 Martsa 2012

Niharitra ny mafy nandritra ny efa-bolana sy tapany ny mpianatra eny amin’ny oniversitem-panjakana vao mihiratra ny masoandrony.

 Nanapa-kevitra ny hiverina handray ny asany mantsy ny SECES araka ny fehin-kevitra nivoaka nandritra ny filankevi-pireneny omaly. Nisy ny fihainoana ny tatitra nentin'ireo solontenan'ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra isan-tsampana avy amin’ny Oniversitem-panjakana sy Foibem-pikaroham-pirenena ary ireo solontena niaraka nivory tamin'ny tompon'andraikitry ny ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny ministeran'ny vola. Tapaka taorian’izany fa hofaranana ny taom-pianarana 2010-2011 ka hotohizana ny fampianarana rehetra tsy mbola vita, hotanterahana ny fanadinana fihodinana voalohany sy faharoa ary havoaka ny valim-panadinana.

Etsy andaniny, ny SECES dia milaza ny hanara-maso akaiky ny fanatanterahan'ny fitondram-panjakana sy ny fanajany ny teny nomeny momba ireo didim-panjakana telo nahatonga ny fampiatoana ny fampianarana. Singanin’ny SECES manokana amin’izany ny tapany faharoa amin'ilay didim-panjakana 2009-1215, ny momba ny «échelonnement» sy ny marikarama. Mampiseho ny tsy fankasitrahany ny fihetsik'ireo filohan'ny Oniversite sasantsasany mandrara sy mandrahona ny mpampianatra mpikaroka eo ambany fahefany tsy hanatanterahan'izy ireo ny zo sendikaly toy ny tao Mahajanga, ohatra, ny SECES. Farany dia miantso ny fanjakana hijery ihany koa ny olan’ny mpampianatra sy mpanabe eny amin'ny ambaratonga fototra sy ambaratonga faharoa izay mitokona amin’izao fotoana ny SECES.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT