Actualités

Oniversite Barikadimy Nifamono ny zanak’Antsiranana sy ny Grand Sud Est


  • Alatsinainy 12 Septambra 2011

Fiainana eo anivon’ny oniversite ny adiady sy ny fifandirana eo amin’ny samy mpianatra, noho ny fomba amam-panao samy hafa sy ny fitaizana azo.

 . Fa ny tsy karitra tao anatin’izay telo taona farany izay, dia lasa fifankahalana sy fifamonoana mihitsy ilay ady sy tsy fitoviana misy. Misy mampiasa zava-maranitra mihitsy ary tafiditra ao anatin’ilay raharaha hatramin’ny olona ivelan’ny mpianatra aza. Ny sabotsy alina hifoha ny omaly alahady11 septambra, dia nanao fihaonambe ny mpianatra avy any Antsiranana (FITEFA) mandranto fianarana ao Barikadimy Toamasina. Mazàna anefa rehefa misy fety atao toy izao dia mifanasa ireo fikambanam-piavian’ny mpianatra ao Barikadimy. Nivadika raharaha hafa anefa ity lanonana ity noho ny hamamoana ka nisiana vera iray vaky ary namoahana ivelan’ny lanonana ilay mpianatra mamo tompon’antoka tamin’io. Mpianatra mpikambana eo anivon’ny fikambanana Grand Sud-Est ao Barikadimy ity farany. Tokony ho tamin’ny 04 ora maraina anefa dia niverina tao amin’ny fetin’ny FITEFA ilay tovolahy mpianatra io, ary nitondra namana fa tsy faly tamin’ny fandroahana azy.

Nanomboka teo ny fifamaliana izay nivadika ho sakoroka sy ny fifamonoana ka nisian’ny fifanenjehana tamin’ny kibay miampy zava-maranitra samy hafa. Niezaka nandamina ny filohan’ny Komitin’ny mpianatra mipetraka ao Barikadimy sy ny teo anivon’ny fiadidiana ny oniversite, nefa mandra-maraina sy omaly alahady tontolo, dia raikitra hatrany ny fifanenjehana sy ny fifamonoana teo amin’ny samy mpianatra. Vokany, mpianatra telo no naratra mafy ary voatery nampidirina hopitaly. Ny iray tamin’ireo no tena voa mafy ary atahorana ny ainy noho ny daroka nahazo ny faritry ny lohany sy ny tsindrona zava-maranitra niantefa tamin’ny vatany. Ankoatra ireto naratra mafy voatery nampidirina ao amin’ny hopitaly be ireto, dia betsaka koa ny vaky loha teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, saingy azo notsaboina teo anivon’ny oniversite sy novonjena teo anivon’ny mpitsabo tsy miankina ihany. Efa nandray fepetra mahakasika ny raharaha ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, Horace Gatien, omaly tontolo. Misy ihany anefa ireo mbola entim-po mitady hisendaotra, hanao valifaty noho ireo namany naratra. Hatreto koa dia tsy misy resaka fisamborana ka ho hita eo ny tohiny.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT