Actualités

Oniversite Barikadimy Mety hafana indray !


  • Alakamisy 12 Mey 2011


 “Tsy hisy ny fisondrotana 10% tahaka ny taona 2010. Tsy hisy koa ny volana faha-10 izay nampanantenaina ny mpianatra nataon’ny minisitra teo aloha noho ny fahasahiranana eo amin’ny volam-panjakana». Izay no nambaran’ny minisitry ny fampianarana ambony Rabesa Zafera Antoine teo anatrehan’ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra ao Barikadimy, ny talata 10 mey teo. Tsy nahafaly ireo solontenan’ny mpianatra naira-nivory taminy anefa izany, nisy ny nivoaka ny trano, ka nahatonga romoromo izay mety hitarika sakoroka sy korontana indray eo anivon’ny mpianatra ao Barikadimy. Nambaran’ireo mpianatra mantsy fa tsy izy ireo no mila vaniny amin’io vatsim-pianarana volana faha-10 io, fa ny tsy fanatanterahan’ny ministera ny andraikiny ka niteraka ny fitokonana lavareny. Nohamafisin’izy ireo fa hiditra amin’ny dingana manaraka sy mafimafy ny hetsika hataon’izy ireo ato ho ato, raha manda tsy hanatanteraka ny fampanantenana nataony ny ministera. Tantara mbola ho lava izany ity olana Barikadimy ity.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT