Actualités

Oniversite Barikadimy Mandrahona ny hitokona ny mpianatra


  • Alakamisy 14 Aprily 2011

«Efa in-droa miantoana izahay no nangataka fihaonana tamin’ny PDS-n’ny Kaominina sy ny faritra Atsinanana ary ireo tompon’andraikitry ny fifamoivoizana, nefa hatramin’izao tsy nisy nanohina ny antsonay», hoy ny solontenan’ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny Faritra 22 eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina.

Ny antony, dia nambaran’izy ireo fa mitatao amin’ny mpianatra ny loza, satria dia matetika loatra ny lozam-pifamoivoizana. Nandroso tarehimarika izy ireo fa tato anatin’ny telo taona, teo anelanelan’ny 2009 sy 2011, izao dia 18 ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ny RN2 Bis, ka ny 08 tamin’izany nahafaty mpianatra, toy ny nitranga ny volana martsa teo izay namoizana aina mpianatra roa ary ny 10 kosa naharatrana sy nitondrana takaitra hatramin’izao tamin’ireo voany. «Ny fepetra horaisina hisorohana izany no nangatahanay fihaonana sy fifampiresahana, nefa hatramin’izao dia miteny an’efitra izahay, tsy misy mpihaino sy tsy henoina mihitsy ny fangatahanay», hoy ireto filohan’ny fikambanan’ny mpianatra ao Barikadimy ireto.

Eo anatrehan’izany dia milaza izy ireo fa hanamafy ny hetsika manomboka izao, ka hiroso amin’ny fitokonana. Ankoatra izay dia tantara hafa eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina koa ny tsy mbola fidiran’ny mpianatra ateraky ny fifanolanana eo amin’ny Seces sy ny ministeran’ny fampianarana ambony, ary ny tsy mbola namoahan’ny fanjakana FAT ny vola ilain’ny oniversite Malagasy ho fampandehanan-draharaha amin’ity taom-pianarana 2011-2012 ity.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT