Charles Bernard sa Manorohanta Cécile ? Fanontaniana tsy mbola misy valiny mazava io hatramin’ny anio, mikasika izay ho filohan’ny oniversiten’Antsiranana.
Toy ireo oniversite dimy hafa misy eto Madagasikara dia nanao fifidianana filohan’ny oniversite ireo antokon-draharaha dimy misy ao Antsiranana. Roa ny kandida nifaninana dia Charles Bernard, filoha am-perinasa sy Rtoa Manorohanta Cécile, efa filoha teo alohany. Tsy nivoaka tao anaty vata fandatsaham-bato anefa ny mpandresy satria dia nitovy tanteraka (roa avy) ny isam-bato azon’ny kandida roa tonta. Any amin’ny governemanta izany izao ny raharaha. Na eo aza ny fifidianana dia hamafisina amin’ny alalan’ny didim-panjakana ny fanendrena izay ny filohan’ny oniversite tsirairay avy. Raha misy fitoviana toy izao anefa ny isam-bato azon’ireo kandida dia izay voalazan’ny lalàna mifehy ny fifidianana no jerena.
Mazava ny voasoratra ao fa raha misy fitoviana dia izay zokiolona no filoha. Mbola io lalàna io ihany koa anefa no milaza fa tsy tokony ho kandida ireo izay efa nahavita fe-potoam-piasana in-droa nisesy amin’io toeran’ny filohan’ny oniversite io. Eo ampiandrasana izay hotendrena amin’io toerana io anefa dia mandeha ny resaka any Antsiranana fa ao ambadik’ity raharaha ity ny Frantsay. Tsiahivina fa Rtoa Manorohanta Cécile dia nomen’ny fanjakana frantsay mariboninahitra “Chevalier de la légion d’honneur” tamin’ny taona 2009, koa maro no mametraka fanontaniana hoe, misy ifandraisany amin’izany ve ny maha kandida ho filohan’ny oniversiten’Antsiranana azy ity. Loharanom-baovao hafa indray kosa anefa fa nisy “iraka” nanao fanadihadiana tany Antsiranana nitsapa ny hevitry ny olobe ao an-tanàna amin’izay eritreritr’izy ireo fa mendrika hitantana ny oniversite any avaratra ity, amin’Atoa Charles Bernard sy Rtoa Manorohanta Cécile.
Nangonin’i Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.