Actualités

Oniversite Ankatso Hiakatra avo 2 heny ny saram-pisoratana anarana


  • Alarobia 11 Jolay 2012

Tapitra tamin’ny alatsinainy 09 jolay lasa teo ny fe-potoana nomen’ny mpianatra handaminan’ny fanjakana ny olan’ny oniversite.

 Rehefa tsy nisy valiny izany dia hiakatra amin’ny dingana manaraka ny hetsika hataon’izy ireo. Hisy amin’ity anio ity eo amin’ny Esplanade ny fivoriambe anasan’ireo mpitarika fikambanan’ny mpianatra ireo mpianatra tsy ankanavaka na ny vaovao na ireo tranainy handinihina ny zava-misy marina eo amin’ny tontolon’ny anjerimanontolo ka handraisana andraikitra mifanaraka amin’izay. Ankoatra ny resaka momba ny fampianarana sy ny vatsim-pianarana dia dinihana amin’io koa ny resaka saram-pisoratana anarana izay niakatra avo roa heny amin’ity taona ity raha ny siosion-dresaka henon’ireo mpitarika fikambanana. Manomboka amin’ny 9 ora sy sasany io fivoriana io izay hanasana koa ny mpampianatra mpikaroka satria misy ireo mpampianatra miasa ara-dalàna, efa misy koa anefa ireo mbola mitokona.

 Yves 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT