Voazaran’ny Ong Ny Sahy avokoa ireo vata fandraisam-peo na radio niisa 400 natolotry ny
SCGM (Search for Common Ground Madagascar ) ao anatin’ilay tetikasa Fanentanana ny firaisankina ara-tsosialy sy ny fisorohana ny herisetra.
Teny amin’ny Fokontanin’Antanetibe omaly no namaranan-dry Haja Ramamonjisoa sy ireo mpiara-miasa aminy an’izany fizarana izany rehefa avy nandalo an’Anosimasina Itaosy sy Ambohijafy, Andohatapenaka II, Ambatobe, Besarety, Soamanandrariny/Ambanivato ry zareo ny 21 sy 22 martsa ary teny Mandrosoa Ilafy sy Antanandrano ny 23 martsa.
Nomena sokajin’olona toy ny mpanasa lamba, mpamily fiarakodia, mpiandry tanàna, tsy an’asa, mpibata entana …ny radio ka ankoatra ny fanarahana ny tantara Vohidrazana vokarin’ity SCGM ity sy ny fandaharana “Vina Iombonana” (Aceem) ary ny “Tsara ho fantatra” RNM Fm 99.2, dia nambaran-dRamamonjisoa Haja fa ny fahazoan’ny olon-drehetra manara-baovao no tena tanjona tamin’izao tetikasa izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.