Actualités

ONG C FOR C Manamafy ny fiaraha-miasany amin’ny mpanao gazety


  • Alarobia 21 Septambra 2022

Nanao tombana sy fanaraha-maso ny fiofanana nomeny ireo mpanao gazety am-polony eto Antananarivo renivohitra omaly ny tetikasa Sahala, ao anatin’ny Ong C for C.

Tetsy amin’ny hotel le Vannier Andavamamba no nanatanterahany izany. Nozaraina vondrona isanisany ireo mpanao gazety. Nampanoratina lahatsoratra momba ny herisetra izy ireo nandritra izany ka anisan’ny nojerena tamin’izany ny fahaizan’ireo mpanao gazety manala ireo karazana hevi-draikitra eny anivon’ny fiaraha-monina. Anisan’izany ny hoe : fanaka malemy ny vehivavy, ny lehilahy ihany no tena manana hery sy tanjaka….Tsy latsa-danja tamin’izany ny fitazanana ny fomba fampitam-baovao izay tsy mitanila fa manaja tanteraka ilay mahalahy sy mahavavy. Tanjona kendrena ao anatin’izao fanomezana fiofanana ny mpanao gazety izao moa raha araka ny fanazavan-dRangitarimanana Nirina Odette , anisan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny tetikasa Sahala ny hahatonga ilay vaovao havoaka tsy handratra olona na koa hanohintohina ny hafa. Mety hiteraka korontana eny anivon’ny fiaraha-monina mantsy izany ka manjary sakana tsy hahafahana mampandroso ny firenena. Tsiahivina moa fa efa naharitra herin-taona eo ho eo izay ity fiofanana nomen’ny ONG C for C ny mpanao gazety eto Antananarivo ity ary mbola hitohy hatrany.
Pati
Legende : Ireo mpanao gazety niatrika ny fiofanana omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT