Tapa-bolana lasa izay no efa nanaovantsika fanairana teto amin’ny Tia
Tanindrazana mikasika ny gaboraraka amin’ny tambajotran-tserasera facebook. Ankehitriny, miha mitombo sy mahazo vahana ny fanapariahana zavatra mamoafady hoenti-manala baraka olona iray, vondron’olona, antoko politika,… Ompa mivantana na an-kolaka, fanalam-baraka tsy misy porofo. Mirongatra izay tsy izy ny kaonty fako na “compte fake” ao anatin’io facebook io. Efa tena zavatra mamoafady hoenti-mamotika olona, hitarihana fisaraham-bazana, famotehana ny soatoavina,… saingy toa tsy hitan’ny manam-pahefana ireny. Na avy amin’ny mpanohitra, na avy amin’ny mpitondra no manao azy, dia tokony hohenjehina sy homena ny sazy faran’izay henjana mba ho anatra ho an’ny rehetra. Tena maivana sy tsy misy dikany ny fanehoan-kevitra nentina nanagadrana 44 volana an-dry Berija Ravelomanantsoa, raha ampitahaina ny zavatra hita isan’andro amin’ny tambajotra facebook. Andro vitsy lasa izao, dia tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo no nohezahina nenjehina sy nalaina baraka ho mamboly korontana eny amin’ny anjerimanontolo, omaly indray dia solombavambahoaka vehivavy iray no nalàna tamina resaka mamoafady toy ny resaka fiaisana ara-nofo, trafikana boaderozy,… Toa tsy hitan’ny manam-pahefana ireny, ary na hisy fitoriana aza mety tsy hisy vokany, toy ny fitoriana nataon’ny ekipan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny taona 2019 izay tratry hala-tsonia sy fanalam-baraka saingy tsisy tohiny. Sanatria ve tafiditra ao anatin’ny kilalao maloton’ny kaonty fako ny manam-pahefana Malagasy ka minia mikipy eo anatrehan’ny efa zava-doza sy mamoafady miseho amin’ny tambajotran-tserasera ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.