Actualités

OMERT Mahazo 200 Miliara isam-bolana ?


  • Alatsinainy 29 Jolay 2013

Tsy misy tsy miaiky ankehitriny ny fiakarana nisy teo amin'ny sandan'ny serasera teto Madagasikara noho ny nametrahan'ny fanjakana haba vaovao tamin'ireo orinasan-tserasera volana vitsy lasa izay.

Raha manao kajikajy tsotsotra mantsy ny tsirairay dia nahita fa lasa eo amin'ny 600 Ariary eo ny minitra raha mitovy ny "opérateur" raha nanodidina ny 200 Ariary teo izany teo aloha. Raha bangoina izany dia mahazo eo amin'ny 300 Ariary isa-minitra eo ny OMERT sy ny fanjakana farafahakeliny raha nampiakatra ny saran'ny fifandraisaina.

Raha ny antontanisa voaray anefa dia 9.000.000 teo ny isan'ny mpanjifa tamin'ny taona 2012. Raha atao farafahakeliny dia 7.000.000 ny isan'ny mpanjifa ankehitriny. Raha samy manjifa 20 minitra isam-bolana izany ireto farany isam-bolana, dia vita ho azy ny kajy fa manodidina ny 42 miliara Ariary na 210 miliara iraimbilanja ny elanelana azon'ny OMERT isam-bolana.

Ny fanontaniana apetraky ny maro dia tsotra ihany. Lasa aiza izany vola be izany ? Raha vakiana mantsy ny vinavinam-pampiasam-bola na "Loi des finances" tamin'ity 2013 ity, dia tsy voasoratra ao mihitsy ity haba vaovao ity. Tsy voarain'ny ministeran'ny vola ve izany io vola be io ? Dia lasa aiza fotsiny ? Raha mijery ny sandan'ny fifandraisana amin'ireo firenena manodidina anefa isika dia fantatra ankehitriny fa isika no lafo indrindra. Avo dimy heny eo ho eo raha oharina amin'ny atsy Maorisy sy Afrika Atsimo.

Dia sanatria ve dia ny vahoaka madinika no asaina mandoa izay vola ho any am-paosin'ny mpitondra ankehitriny ? Tsy misy mazava mantsy ny fampiasana izany vola be izany. Ny firenena miha simba hatrany, ny tanàna miha maloto, ny lalana potika. Manainga mavesatra ireo mpikambana amin'ny CT sy CST mba tena hiady tokoa ho an'ny vahoaka satria dia mavesatra tokoa raha ny mahazo ny ambanilanitra ankehitriny.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT