Actualités

OMDA - Mpamokatra sarimihetsika Nahita marimaritra iraisana momba ilay «hologramme»


  • Alarobia 30 Martsa 2011


Niravona ny olana teo amin’ny OMDA sy ireo mpamokatra sarimihetsika momba ny resaka «hologramme». Nisy ny fivoriana niarahan’ny roa tonta izay nivoahan’ny marimaritra iraisana. Neken’ireo mpamokatra ny fametahana ilay marika famantarana ny maha «orijinaly» ny vokatra amin’ireo kapila saingy maimaimpoana izany fa tsy andoavana 70 ariary isaky ny kapila, araka ny voalazan’ny lalàna. Raha nanontaniana i Mamitiana, talen’ny Scoop Digital sady mpamokatra ihany koa dia nilaza fa hisy “hologramme” avokoa ireo kapila “Malok’ila Quoi de neuf” izay hivoaka amin’ity anio ity.

Fanapahan-kevitra vonjimaika ihany io satria ny filankevi-pitantanan’ny OMDA no tompon-teny farany momba ity raharaha ity. Momba ilay 10% alain’ny OMDA amin’ny vidin’ny kapila handoavana ny zon’ireo mpamorona dia halefahana ny fitakiana izany raha hafainganin’ny OMDA kosa ny fanomezana ireo zon’ny mpamorona. Mbola nanamafy aza i Mamitiana fa tsy maintsy atao mazava avokoa ny momba ireo vola rehetra efa nalain’ny OMDA tamin’ny mpamokatra ary efaina ao anatin’ny fotoana fohy ny ambiny. Ho setrin’izay anefa dia tsy maintsy manao fanambarana mazava momba ny ireo vokany avy ny mpamokatra tsirairay ary ny OMDA ihany koa no mitantana ny zon’ny mpamorona mandra-pitsangan’ny Ofisy hisahana ny sarimihetsika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT