Actualités

Omby eto Madagasikara Ho lany tamingana afaka 5 taona ?


  • Talata 14 Jona 2016

Tsy mahomby ireo hetsika famongorana ny halatra omby eto Madagasikara.

Tsy misy mantsy ny politika mazava iadiana amin’ny dahalo no matanjaka be ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny tambajotra miketrika io fomba mamohehatra io, hoy ny Andrimasom-pokonolona Fanarenana ao Bongolava. Manenjika omby halatra 60 isan’andro ireo voromahery mpanatanteraka ny iraka. Mahatratra hatrany amin’ny 100 isan’andro kosa ny isan’ny omby halatra any Ihosy. Mikarama 15.000 ariary isaky ny omby halatra moa ny dahalo ankehitriny raha 6.000 ariary izany teo aloha. Hita eo anivon’ireo tsenan’i Mandoto, Mahitsy ary Tsiroanomandidy ny 60%-n’ny omby halatra miaraka amin’ny «Fiche Individuelle des Bovins» vaovao. Ho lany tamingana afaka 5 taona ny omby eto Madagasikara raha tsy mandray andraikitra ny mpitondra mahefa, araka ny fanampim-panazavana avy amin’ny firaisamonim-pirenena APF. Toerana anisan’ny malaza eto Madagasikara fanafenan’ireo mpangalatra omby hatreto ny ao amin’ny kizo anelanelan’i Soaloka, Itondry, Betsipolotra ary Ankavandra.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT