Actualités

OLONA VARIRA Tsy eken’ny Rainy niteraka azy ho zanany ny 80%


  • Alakamisy 08 Septambra 2022

Maro ny olona sedrain’ireny olona varira ireny. Ankoatra ireo fangalaran-jaza izay mihatra amin’izy ireny mantsy ary

hakan’ireo tsy mataho-tody ny masony dia fantatra ihany koa fa saika voahilika hatrany izy ireny eny anivon’ny fiaraha-monina. Vao tonga ety an-tany mantsy ny 80%-n’izy ireny dia tsy eken’ny Ray niteraka azy ho zanany noho ny lokon’ny fihodirany. Rehefa any an-tsekoly indray izy ireny dia manana olana amin’ny maso satria tsy mahita lavitra. Voatery mipetraka eny amin’ny laharana voalohany hatrany araka izany izy ireo ka matetika toratorahan’ny ankizy amin’ny taratasy avy any aoriana, sy mahazo eson-teny ary fanarabirabiana isan-karazany. Rehefa mitombo indray ireo ankizy varira dia mihamarefo. Misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny hoditr’izy ireny mantsy ny herin’ny masoandro izay ilana fiarovana mandrakariva. Na izany aza anefa dia maro ihany ireo olona varira tafavoaka amin’ny fiainana ary manampy ireo olona toa azy. Vonona hanampy azy ireo ny fondation Siteny. Fantatra fa hanokatra kaonty ho an’ny fikambanana izy ireo hahafahan’ireo malala-tanana manampy azy ireny. Toraka izany koa ny fampianarana ny mpiara-belona mba tsy hanilika na hanao tsinontsinona azy ireny.
Nangonin’i Pati
Legende : Noraisin’ny fondation Siteny omaly ny fikambanana hivondronan’ireo olona varira eto amintsika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT