Actualités

Olona nitsabo ireo nisy naka an-keriny Nomena tohana sy fanampiana tampotampoka teo


  • Alatsinainy 27 Jona 2022

Velom-panontaniana ankehitriny ny mpanara-baovao mikasika antony nanolorana fanomezana ho an’ireo mpitsabo nitsabo ireo nisy naka an-keriny nanakoako teto amin’ny firenena tao ho ao.

 Ankizy vavy maherin’ny 10 isa, raha ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny minisiteran’ny mponina ny faran’ny herinandro teo, no niharan’ny herisetra ara-batana sy saina tamin’ny alalan’ny fakana an-keriny ka rehefa afaka tamin’izany dia notsaboina tao amin’ny CHU-JRA Ampefiloha. 15 ka hatramin’ny 29 taona izy ireo, hoy ny fanamarihana. Efa tafavoaka ny toeram-pitsaboana kosa izy ireo ankehitriny. Ho fankaherezana ireo mpitsabo nandray an-tanana ireo vehivavy niharan’ny herisetra ireo dia nanolotra fankasitrahana manokana ho azy ny minisitry ny mponina, Soafilira Princia. Izany fanomezana izany dia nahitana vary, menaka, savony, paty, ronono, akoho. Lamba firakotra kosa no natolotra ireo marary ao amin’ny hopitaly. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe fanomezana izy ity sa fanapenam-bava ? Sa inona no antony manokana, raha ny fitadidiana mantsy dia sambany ny hoe nisy mpiasan’ny fahasalamana nitsabo olona natao hoe niharan’ny herisetra nahazo fanomezana avy amin’ny ministeran’ny mponina.Hafa indray raha hoe ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka no nanao hetsika manokana; mbola resaka hafa ihany koa raha hoe anaty vanim-potoana nampamaivay ny asa tahaka ny tamin’ny fiatrehana ny Coronavirus. Fa ity indray mitoraka ity dia tena hoe : ny tovovavy no nisy naka an-keriny dia ny dokotera no mahazo fanomezana.Hafa mihitsy a !
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT