Actualités

Olona matin’ny ranotrambo tany Isalo Horaisin’ny ministera an-tanana ny fampodiana ireo razana


  • Alatsinainy 21 Martsa 2022

Noraisin’ny Ministeran’ny fizahantany an-tanana ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’ireo teratany Malagasy namoy ny ainy vokatry ny ranotrambo nandalo tampoka tao Isalo tamin’ny faran’ny herinnadro teo ka nahafatesana

 olona miisa 5. Ny Masoivohon’ny Frantsa kosa no hisahana ny fikarakarana ireo tera-tany frantsay, hoy hatrany ny vaovao. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny zoma lasa teo tamin'ny 1ora sasany no tratran'ny ranotrambo teny am-pitsidihana ny circuit Namaza izy 6 mianaka. Mpivady Frantsay sy Malagasy sy ny zanany vao herintaona mahery ny telo. Ny renin'ilay vehivavy sy ny anadahiny ary ilay mpisera dia kosa ny iray. Tsara ny andro ny maraina fa avy tampoka ny orana nony hariva hoy hatrany ny vaovao ; izay no niteraka ny ranotrambo tampoka ka nitarika ny loza. Hisy moa ny fifanatonana eo amin’ireo rafitra misahana ny fizahantany eto amintsika amin’ity herinandro ity (ministera, ONTM, ORT, MNP, CTM, FNG, ANG) hahafahana mandinika sy mametraka ireo fepetra rehetra tsy maintsy ampiharina mba hisorohana ny loza tahaka izao. Tao amin’ny tranom-pokonolona Ranohira no nandrasana ny razana.
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT