Mbola vao ny 1 amin’ny 1.000 ho an’ireo olona manana fahasembanana eto amintsika amin’izao fotoana izao no mitana andraikitra ambony eny anivon’ireny andrim-panjakana maro samihafa ireny raha misy, araka ny fanadihadiana natao.
Tsy fahalainana handray andraikitra na hakamoana akory izany, araka ny fanazavan-dRazafinjato Fela, filohan’ny AFAM (Association des Femmes Handicapées de Madagascar) azy fa noho ny zava-misy mihitsy. Anisan’izany raha ho azy manokana ny tanjaka ara-batana. Na dia betsaka aza mantsy ny faniriany te hirotsaka solombavambahoaka, hanatanteraka asa fampandrosoana eto amin’ny firenena dia mbola olana goavana ny tontolo manodidina. Anisan’izany ny lalana izay tsy hahafahany mandeha, ny toeram-pivoahana… Vahaolana arosony ny tokony hanamboarana fotodrafitrasa mety sy mifanaraka amin’ny olona manana fahasembanana raha tiana ny hampandraisana andraikitra azy ireny. Nomarihiny manokana moa fa mbola tena mijaly ny sembana eto amintsika raha oharina amin’ny any ivelany izay efa mandray vola 700 Euros isam-bolana raha kely indrindra miampy ny hatsaran’ny fotodrafitrasa ampiasainy. Manantena ny ezaky ny fitondram-panjakana, araka izany, izy ireo ao anatin’ity Repoblika fahefatra izay efa mijoro ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.