Olon-tsotra

> Matoky an’i Dr Robinson hamerina an’i Dada


  • Sabotsy 28 Septambra 2013

«Lasa toeran’ny halatra sy tsy fandriampahalemana i Madagasikara vokatry ny fanonganam-panjakana niseho tamin’ny taona 2009», hoy i Maria sy Ravo, olon-tsotra mpiandany amin’i Dada ary matoky ny kandidà Robinson Jean Louis natolony.

«Mila averina miakara amin’ity kandidà ity ny fampandrosoana rehefa latsaka ambany dia ambany tao anatin’ny 4 taona izay», hoy izy ireo. Nohamafisin’ny mpitolona hafa toa an-dry Elitera sy Mme Jacqueline izany tamin’ny filazan’izy ireo fa i Dr Robinson no tohanana satria izy no natolotr’i Dada ary ho tohizana miaraka aminy ny MAP (Madagasikara Am-perinasa). Manentana ny rehetra hifidy fa tsy hialangalana izahay, ary omeo an’ny Dr Robinson ny vatonao fa izy no hamerina an’i Dada eto, hoy ihany ry Elitera sy Mme Jacqueline. Enga anie, hoy ireto mpitolona ireto, ka mba ho tena hangarahara ity fifidianana ity ary ampy izay ny fanongam-panjakana miverimberina eto amin’ity Nosy malalantsika ity.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT