Actualités

Olon’ny FAT Voarohirohy amina «bois de rose» 75 kaontenera


  • Zoma 18 Febroary 2011

Miha mazava ankehitriny ny resaka amin’ity trafikana «bois de rose» ity. Olona ambony tao amin’ny FAT no nalaza an-gazety faramparany teo fa misy vesatra telo iampangana azy.

Toa resaka hanafenana ny lamba maloto ihany anefa izany fa ny marina dia nikasa ny hanondrana hazo sarobidy 75 kaontenera io tompon’andraikitra ambony io. Nisy mpandraharaha sinoa telo samihafa nifampiraharaha taminy mba hamoahana ireo hazo ireo. Dia raikitra ny fifanekena ary efa nisy ny vola amina miliara izay natao vodiondrim-barotra tao anatin’izany. Rehefa nandeha ny fotoana dia tezitra ireo mpandraharaha satria tsy tontosa ihany ny nampanantenaina. Ny vola anefa efa amina miliara no lasa.

Teo ireo mpandraharaha no tapa-kevitry ny nametraka fitoriana teo anivon’ny “Brigade Spéciale” an’ny zandary. Rehefa izay dia natomboka avy hatrany ny fanadihadiana. Nosantarina tamin’ny fisavana trano izany, ny sabotsy teo, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny zandary hatrany. Nisy ny olona telo, ireo mpanelanelana, natolotra ny fampanoavana, momba ity raharaha ity hatrany, ka naiditra am-ponja vonjimaika mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ireo. Mahakasika ilay tompon’andraikitra ambony taloha indray dia tsikaritra ho mikatso ny fanadihadiana azy noho ny tenany... mpitsara. Miahotra ny zandary amin’ny fanatontosana ny fihainoana azy. Misy rahateo ihany koa ny sata mifehy ny mpitsara izay miteraka ho bahana amin’ity raharaha ity.

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT