Actualités

Olivier Rakotovazaha Nijoro ho mpisolovava ireo mpampianatra mpikaroka


  • Zoma 06 Mey 2011

«Tsy misy fiovana eto raha tsy i Andry Rajoelina no miala», hoy i Olivier Rakotovazaha tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly.

 «Mahazo mandeha amin’izay alehany ny FAT fa tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena izany velively», hoy izy. Ny SADC tsy hankato mpanongam-panjakana izany mihitsy fa ny fifanarahana tamin’ny 2009 ihany ny azy no tanany». Nanao asana mpisolovava an’ireo mpampianatra mpikaroka ny lehilahy. «Ny zavatra izay saro-pady indrindra maha firenena ny firenena dia ny fampianarana», hoy izy. «Tsy misy firenena mandroso raha tsy voataiza ara-panabeazana ny olona ao aminy. Koa aza miteniteny foana amin’ny zavatra tsy hay fa ny fikarohana tsy maintsy atao. Tena nanana ny naha izy azy ry Ramose fahiny fony izahay mbola mpianatra madinika fa niakanjo tsara, nanana moto, tena to teny tamin’ny mpianatra sy ny fiarahamonina, fa ankehitriny dia izao hiaraha-mahita izao. Ho lasa taona fotsy ity taona ity satria efa ho avy ireo vao afaka bakalôrea nefa ny eo tsy mbola mianatra. Tsy afaka handray azy ireo miaraka anefa ny trano eny amin’ny Oniversite», hoy Rakotovazaha.

Nanamarika ity farany fa betsaka ny zavatra tsy mandeha eto amin’ity firenena ity ankehitriny tahaka ny fampianarana voalaza teo io, eo koa ny fifampitsabahana andraikitra. Nambaran’ny Sekretera jeneralin’ny MFM, fa efa mivadi-dela mitsipaka am-bavafo ny FAT, ilay praiminisitra maorisiana teo aloha ary mitarika ny mpanohitra ao Maorisy, Paul Berenger, sakaizany raha nilaza fa tsy misy fifidianana malalaka eto raha tsy miverna eto i Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana. Mbola nampiany koa aza izany amin’ny hoe “tokony hohafarana ny tribonaly iraisam-pirenena ahafantarana ny zava-nisy marina tamin’ny 7 febroary”. ‘Na ahoana, na ahoana, hitsangana ny filoha telo mirahalahy hanangana ny tetezamita tena izy ary ny FAT alefanay amin’ny mahamety azy’, hoy i Olivier Rakotovazaha.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT