Fokontany 32 amin’ireo 52 no fantatra fa tena misedra olana amin’ny fahazoana rano ao Fianarantsoa.
Maro ireo vahaolana vonjimaika tanterahina araka izany hahafahana miantoka ny famatsian-drano ao an-tanànan’i Fianarantsoa. Siniben-drano na « bonbonne » 10 m³ maromaro ankehitriny no efa tafapetraka hamatsy rano ny mponina ary mbola hiampy tsikelikely izany. Manome tanana amin’ny famatsiana amin’ny alalan’ny kamiao “citerne" mitatitra rano hamenoana ny siniben-drano ihany koa ireo ambaratongam-pahefana any an-toerana ka kamiao miisa fito no efa miasa, ka misy ny avy amin’ny governora, ny sampana mpamonjy voina raha toraka izany ihany koa ny avy amin’ny oniversiten’Andrainjato. Kamiao 20 m³ miisa roa kosa no avy amin’ny JIRAMA foibe. Isan’ny mamokatra rano fisotro madio ka hamatsy 130 m³ isan’andro hotsinjaraina amin’ireny sinibe ireny ihany koa ny orinasa Bionexx. Ankoatra izay dia nametraka ny « Station mobile de purification d’eau » ny JIRAMA izay afaka hamokatra rano fisotro madio 80 m³ isan’andro fanampiny. Ary efa manomana ny tetikasa ny JIRAMA ho fanampin’ireo vokatra ireo amin’ny fisintonana sy fanadiovana ny ranon’i Matsiatra ho afaka hamatsy rano fisotro madio fanampiny hatramin’ny 800 m³ isan’andro. Efa miomana amin’ny fandatsahana orana artifisialy hampiakarana ny tosiky ny rano any an-toerana ihany koa ny JIRAMA sy ny fitondram-panjakana ary ny foibe famantarana ny toetr’andro. Raha tsiahivina dia tobim-pamokaran-drano iray ao Ankidona ihany sisa no mamatsy rano ny tanànan'i Fianarantsoa raha toa ka telo no tokony hisahana izany miaraka amin'i Vatosola sy Tombana izay tsy mamokatra intsony noho ny faharitran’ny renirano. Rano fisotro madio 3000 m³ isan’andro arak’izany sisa ny rano vokarina ao Fianarantsoa ka tsy maharaka intsony ny filàn’ny mponina any an-toerana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.