Actualités

Olan’ny QMM sy ireo vondron’olona- Taolagnaro Hatsangana ny sampan-draharaha manokana hamahana azy


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2021

Nidina ifotony nandamina ny disadisa niverimberina tsy nety voavaha hatramin’ny 2005-2009, 2013-2018 teo amin’ny orinasam-pitrandrahana QMM

 sy ny Vondron'olona voakasiky ny tetikasa ny tenanay ny herinandro teo, hoy ny tatitry ny tale misahana ny fitarainana eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, Richardson Rakotomanana, ny sabotsy teo. Tsy mora ny nandamina ny olana satria samy nanana ny marina narovany sy ny tombotsoa nantenainy ny QMM sy ny Vondron'olona maro, hoy izy. Efa be no nataon'ny Manam-pahefana tany an-toerana sy ny Ministera sy ny Olom-boafidy tamin’ny fandaminana hatram'izay fa niverimberina foana ilay olana. Noho ny fitarainan'ny vahoaka taty amin’ny “Bureau de Doléances” dia niezaka nifampidinika tamin’ireo manam-pahefana ao an-toerana rehetra tany ny tenanay ka niezaka nandresy lahatra ny andaniny sy ny ankilany ho amin’ny marimaritra iraisana na "solution négociée" mba tsy hisian'ny gidragidra eo amin’ny QMM sy ireo mpamboly mitambatra intsony. Tapaka fa hajoro ny sampan-draharaha manokana na “Guichet unique” eo anivon'ny QMM handray ny olana sy ny vahaolana rehetra. Hapetraka ny “Dialogue permanent” na fifanakalozan-kevitra maharitra eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Hisy fifanarahana miharo fandaharan’asa na “Contrat-programme” vaovao ho entina mampandroso ny fiharian-karena eo amin’ny vahoaka sy ny fampandrosoana ara-tsosialy. Hajoro ny “Commission de suivi et de coordination” na sampana fanaraha-maso izany ifarimbonan'ny manam-pahefana ao an-toerana rehetra sy ireo Solontena mahefa eo ambany fiahian'ny Governora. Raha noheverina ho sarotra ny toe-draharaha noho ny olana tsy voavaha hatramin’ny taona 2005 dia ny zoma sy sabotsy 20 sy 21 aogositra ihany izany dia nilamina, hoy hatrany ny tatitra nataony.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT