Actualités

Olan’ny paositra Malagasy Mbola misokatra ho an’ny rehetra ny fifampidinihana


  • Alatsinainy 05 Jolay 2021

Manoloana ny fitakiana ataon’ny paositra Malagasy ankehitriny vokatry ny hoe misy ny fikasan’ny minisitera hanao fanavaozana ny sata mifehy ny paositra Malagasy,

 

hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny paositra, Ranesa Firiana, dia misy ny ahiahy na tsy fahazoan-dresaka mipetraka eo amin’ireo mpiasa. Mbola tsy misy andinin-dalàna na fanapahan-kevitra efa tapaka momba ny fanavaozana ny paositra Malagasy, hoy izy. Eo am-pandinihina ny zavatra. Misy fifandresen-dahatra sy fifanakalozan-kevitra atao. Ao anatin’izay no mety misy feo mivoaka na fandikana vilana mahatonga ny mpiasa manao fitokonana. Tsara ny manamarika fa ny fampidirana ny paositra Malagasy ao anatin’ny sehatry ny ara-dalana no tanjona amin’izao fotoana izao satria raha ohatra hoe orinasam-panjakana efa naharitra an-taonany maro ny paositra Malagasy dia nisy fanavaozana ny lalana teto amin’ny tany sy firenena. Mipetraka ny hoe tokony ho “établissement publique industriel et commercial” na « établissement publique administratif » no karazana rafi-panjakana. Mametraka koa anefa ny lalana hoe mety azo atao ny mamorona karazana rafi-panjakana na « établissement publique » hafa. Ny zava-misy dia mbola tsy ao anatin’ny sokajy apetraky ny lalana ny paositra malagasy satria mbola anatin’ilay hoe « établissement publique postal » no lalana mifehy azy. Ao anatin’ny fanavaozana sy fidirana amin’ny tontolon’ny nomerika sy fanatsarana, noho izany, dia izay no irosoan’ny minisitera sy hifampidinihany amin’ny mpiasan’ny paositra malagasy sy ny tomponandraikitra rehetra. Mbola misokatra ho an’ny rehetra ny varavarana mikasika izay fifampidinihana izay, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT