Orinasa tsy miankina 400 no tadiavin'ny fitondrana hanentsina ny banga amin'ny volam-panjakana, araka ny fanehoan-kevitr’i Patrick Raharimanana omaly.
Tsy ampy any amin'ny 400 miliara ariary any ny vola niditra tamin'ny hetra tamin'ny teti-bola taon-dasa izay noho ny Covid-19 sy ny fitontongan'ny toe-karena, ka naha kely ny hetra sy vola niditra tamin'ny fanjakana. Ny vahaolana hitan'ny fitondrana izany dia ny haka izay banga izay amin'ireo orinasa lehibe eto Madagasikara, ka dia mandeha avokoa ny "redressement fiscal" sy ny fomba maro rehetra. Ny orinasa lehibe iray mpanamboatra zava-pisotro eto an-toerana fotsiny no kasaina hakana 15 miliara ariary, ny mpivarotra amin'ny tsena lehibe, grande surface, mpivarotra PPN, mpanafatra simenitra sy vy ary kojakoja fiara, hoy hatrany i Patrick Raharimanana. Nambarany fa rehefa nisy nanontaniana moa izy ireo, dia nilaza fa tsy hiasa fatiantoka, fa dia izay alain'ny fitondrana tsy ara-drariny aminy dia ampidiriny ho masokarena, ka dia hiditra amin'ny vidin'ny amarotana azy amin'ny mpanjifa.Ireo tompon'ny orinasa hafa kosa nilaza, fa anakatona ny orinasany rehefa tsy zaka intsony ny antsonjay ataon'ny fitondrana. Fitondrana tokony anampy azy ireo hampiroborobo ny toe-karena sy hamorona asa, nefa lasa fitondrana dinta, mitsetsitra ny kely mitsipozipozy, hoy io fanehoan-kevitra sy vaovao ara-toekarena nataon’I Patrick Raharimanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.